Psalms 123

Fanantenana an’ Andriamanitra hanafaka amin’ ny fanebahana sy ny fanamavoana

Fihirana fiakarana
Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga.
.

1

Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.
2Indro, toy ny fijerin’ ny ankizilahy Ny tanan’ ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin’ ny ankizivavy Ny tanan’ ny tompovaviny, No fijerintsika an’ i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika. 3Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay; 4Eny, tototry ny famingavingan’ ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan’ ny mpiavonavona.
Copyright information for Mg1865